felampaiso | 19 Aogositra, 2006 07:01
Efa impiry izay no nangetaheta fahazavana aho satria maizina ny lalana nodiaviko ? Izay angamba hoy aho ilay hoe "maizina no tambonin'ny lalina". Dia niteny Andriamanitra hoe : "MISIA MAZAVA " ...dia nisy ny mazava ! Ny mazava, tsy ilay manjelatra be mamono maso fa ilay mazava , fotsy hanehoan' Andriananahary fa tsara Izy.
Fotsy, lokon'ny mazava, fotsy lokon'ny fahadiovana, fotsy lokon'ny fifandraisana tsy misy fitaka na fihatsarambelatsihy.Nefa fotsy be mpankahala ihany koa, firifiry moa ny loto, ny pentin-doto te hisompatra ny fotsy, misy aza dia mankahala anao fotsiny izao satria te-hitoetra ho madio ianao eo amin'ny fiarahamonina ....
Izaho koa hoy aho, efa nisy aizina ny fiainako, efa diso sy nanota ary naloto teo antrehan'ilay Zanahary namorona izao tontolo izao.Saingy nandray ny Filazantsaran'i Jesoa Kristy aho, nandalo fibebahana aho, mino ny famelan-keloka aho ary mino ny herin'ny Mazava mahay mitoetra eo amin'ny fiainako aho.
Impiry izay no nomen-tsiny aho satria nandà ireo fomban-drazana sasantsasany mahamalagasy ahy, rehefa mifanohitra amin'ny Mazava noraisiko dia nanjary tsy nekeko.Ohatra hoe: tsy manatrika famadihana aho satria na tiana na tsy tiana dia misy fiankinana amin'ny herin'ny maty ao, tsaroako tsara fa ry dadatoa fony mbola kely aho dia nahavatra nitahiry ny vovopatin'i Nenibe Razananoro fa hoe ahazoana fitahiana,hono . Resaka finoana moa ilay izy ....
Tafintohina ihany ny fianakaviako rehefa nilazàko hoe " kristiana aloha aho izay vao malagasy ", Kristy izay andovàko ny Fiainana Mandrakizay no laharam-pahamehako izay vao ny mahaolombelona ahy , mety ho afrikana aho ,na aziatika, na amerikana, na eoropeana, na aostraliana , tsy maninona izany, fa mbola sahiko ny miteny hoe " Kristiana aloha aho vao......mponin'ny kontinanta iray ! " ARY AMINAO , inona no herin'ny LOKO FOTSY ?...
felampaiso | 30 Mey, 2006 23:07
Mino aho fa efa nigoka ny hatsaran'ny lohataona ianao, amin'iny fotoana iny no mamelana sy mamony mahafinaritra ny voninkazo rehetra.
Andray izany hatsarany é ! Manitra mamerovero ny manodidina anao.
Fa amin'ireny voninkazo ireny, dia jereo iretsy voninkazo kely iretsy : mavokely no lokony, aaa, felampaiso ireo, misy milaza hoe voninkazo manintona izy, misy indray no miteny fa felana manetry tena izy.Fa ny nahababo ahy taminy dia ilay lokony: mavokely no fiantso azy, iza re no mpanao sary hosodoko tena mahatafavoaka ity loko ity é ?Indraindray, mavokely tanora, indraindray miova ho mavokely antitra, tena loko tiako.
Indraindray aho manontany tena hoe, nahoana ary isika malagasy no tsy mba nahita teny ahafahana milaza ny loko mavokely, fa dia natao hoe " mavo...kely ", tsy aleo ve io loko io antsoina hoe..felampaiso !
felampaiso | 02 Mey, 2006 05:13
felampaiso, izay no anarana azonao iantsoana ahy sy ifaneraserantsika eto.Toy ny olona rehetra ihany aho misy ny ampaham-piainako tiako zaraina aminao, misy koa anefa ny singam-piainako tehiriziko manokana ho ahy satria tsy mahasoa anao ny mahalala azy.
Ny HEVITRO no tiako amaritanao ahy fa tsy ny volon-koditro na ny toerako eo amin'ny fiarahamonina na ny fahalalana hoe "lahy sa vavy ".
Tsy voatery hitovy ny fomba fijerintsika kanefa harena ,hono , ny fahasamihafana ka ahafahana mifameno.Fa na dia ny LOKO sy ny FIHETSEHAMPO aza dia samy manana izay heveriny ho heviny :
- ny tontolon'i Felampaiso ary dia ezahina ho tontolo feno loko, fa ny hazavana rehefa midona amin'ny " prisme" dia manapariaka loko samihafa dia ny lokon'ny hazavana, toy izany no ahitantsika ny lokon'ny " avana" na antsiben'Andriamanitra rehefa misy orana na erika tarafin'ny masoandro,
- ny tontolon'i Felampaiso koa dia tontolon'ireo karazana fihetseham-po mety ho teraka ao amin'ny olombelona, izay hifampizarantsika raha sitrakao satria...... namako ianao....!
felampaiso | 21 Aprily, 2006 04:51
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |