ny tontolon'i Felampaiso

Ny tontolon'ny loko fotsy

felampaiso | 19 Aogositra, 2006 07:01

Efa impiry izay no nangetaheta fahazavana aho satria maizina ny lalana nodiaviko ? Izay angamba hoy aho ilay hoe "maizina no tambonin'ny lalina". Dia niteny Andriamanitra hoe : "MISIA MAZAVA " ...dia nisy ny mazava ! Ny mazava, tsy ilay manjelatra  be mamono maso fa ilay mazava , fotsy hanehoan' Andriananahary fa tsara Izy.

 

Fotsy, lokon'ny mazava, fotsy lokon'ny fahadiovana, fotsy lokon'ny fifandraisana tsy misy fitaka na fihatsarambelatsihy.Nefa fotsy be mpankahala ihany koa, firifiry moa ny loto, ny pentin-doto te hisompatra ny fotsy, misy aza dia mankahala anao fotsiny izao satria te-hitoetra ho madio ianao eo amin'ny fiarahamonina ....

Izaho koa hoy aho, efa nisy aizina ny fiainako, efa diso sy nanota ary naloto teo antrehan'ilay Zanahary namorona izao tontolo izao.Saingy nandray ny Filazantsaran'i Jesoa Kristy aho, nandalo fibebahana aho, mino ny famelan-keloka aho ary mino ny herin'ny Mazava mahay mitoetra eo amin'ny fiainako aho.

Impiry izay no nomen-tsiny aho satria nandà ireo fomban-drazana sasantsasany mahamalagasy ahy, rehefa mifanohitra amin'ny Mazava noraisiko dia nanjary tsy nekeko.Ohatra hoe: tsy manatrika famadihana aho satria na tiana na tsy tiana dia misy fiankinana amin'ny herin'ny maty ao, tsaroako tsara fa ry dadatoa fony mbola kely aho dia nahavatra nitahiry ny vovopatin'i Nenibe Razananoro fa hoe  ahazoana fitahiana,hono . Resaka finoana moa ilay izy ....

Tafintohina ihany ny fianakaviako rehefa nilazàko hoe " kristiana aloha aho izay vao malagasy ", Kristy izay andovàko ny Fiainana Mandrakizay no laharam-pahamehako izay vao ny mahaolombelona ahy , mety ho afrikana aho ,na aziatika, na amerikana, na eoropeana, na aostraliana , tsy maninona izany, fa mbola sahiko ny miteny hoe " Kristiana aloha aho vao......mponin'ny kontinanta    iray ! "    ARY AMINAO , inona no herin'ny LOKO FOTSY   ?...

 

 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb