ny tontolon'i Felampaiso

Ny tontolon'ny loko mavokely

felampaiso | 30 Mey, 2006 23:07

Mino aho fa efa nigoka ny hatsaran'ny lohataona ianao, amin'iny fotoana iny no mamelana sy mamony mahafinaritra ny voninkazo rehetra.

Andray izany hatsarany é ! Manitra mamerovero ny manodidina anao.

Fa amin'ireny voninkazo ireny, dia jereo iretsy voninkazo kely iretsy  : mavokely no lokony, aaa, felampaiso ireo, misy milaza hoe voninkazo manintona izy, misy indray no miteny fa felana manetry tena izy.Fa ny nahababo ahy taminy dia ilay lokony: mavokely no fiantso azy, iza re no mpanao sary hosodoko tena mahatafavoaka ity loko ity é ?Indraindray, mavokely tanora, indraindray miova ho mavokely antitra, tena loko tiako.

Indraindray aho manontany tena hoe, nahoana ary isika malagasy no tsy mba nahita teny ahafahana milaza ny loko mavokely, fa dia natao hoe " mavo...kely ", tsy aleo ve io loko io antsoina hoe..felampaiso ! 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb