ny tontolon'i Felampaiso

felampaiso

felampaiso | 02 Mey, 2006 05:13

felampaiso, izay no anarana azonao iantsoana ahy sy ifaneraserantsika eto.Toy ny olona rehetra ihany aho misy ny ampaham-piainako tiako zaraina aminao, misy koa anefa ny singam-piainako tehiriziko manokana ho ahy satria tsy mahasoa anao ny mahalala azy.

 

Ny HEVITRO no tiako amaritanao  ahy fa tsy ny volon-koditro na ny toerako eo amin'ny fiarahamonina na ny fahalalana hoe "lahy sa vavy ".

Tsy voatery hitovy ny fomba fijerintsika kanefa harena ,hono , ny fahasamihafana ka ahafahana mifameno.Fa na dia ny  LOKO  sy ny FIHETSEHAMPO aza dia samy manana izay heveriny ho heviny :

- ny tontolon'i Felampaiso ary dia ezahina ho tontolo feno loko, fa ny hazavana rehefa midona amin'ny " prisme" dia manapariaka loko samihafa dia ny lokon'ny hazavana, toy izany no ahitantsika ny lokon'ny " avana" na antsiben'Andriamanitra rehefa misy orana na erika tarafin'ny masoandro,

- ny tontolon'i Felampaiso koa dia tontolon'ireo karazana fihetseham-po mety ho teraka  ao amin'ny olombelona, izay hifampizarantsika raha sitrakao satria...... namako ianao....!

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb